YouTube video

Ny ampitso no hitsara (Bessa 2014-Mpihira sy mpitendry tsy fantatra anarana)

Roland Razonarison ·

Press Play to watch on YouTube. Playback may vary by country and device.

About this video

Hammond B3 Organ.

Hammond B3 Organ. Mifeheza tena hanam-pahendrena Tsy ho baikoin’ny sendaotra ao am-po Halalaho ny saina, aza dia terena Hamaly eo noho eo ratra iray nahavoa Mandiniha aloha, aoka tsy ho maika Ndrao hanenenanao izay vita avy eo Aleo lavitra aza mody tsy miraika Kanjo ny voka-tsoa tena kendreo Fa tsy maty akory Ilay atao hoe "tody" Na dia mihamaro ireo jiolahy ratsy fanahy Koa dia tehirizo ny fonao madio Aoka ny ampitso no hitsara ny anio Ny tanora mantsy dia mangetaheta Tontolo soa madio ts’isy longoa Faniriana izany nefa mahareta Izay nambolena anio ela vao mety hamoa Mamafaza tsara, mambole finoana Fa tsy mandrakizay izao hita izao Mbola hisy andro, ora sy fotoana Tsy maintsy hijinjanao izay asanao Fa tsy maty akory Ilay atao hoe "tody" Na dia mihamaro ireo jiolahy ratsy fanahy Koa dia tehirizo ny fonao madio Aoka ny ampitso no hitsara ny anio
Channel
Roland Razonarison
Uploaded
12 September 2022
Duration
4 minutes 34 seconds
Source
YouTube